Fahasalamana

Fikainkonan’ny nofo na « crampe » Vokatry ny tsy fahampian’ny kalsioma sy ny manezioma


  • Alatsinainy 14 Febroary 2022

Anisan’ny tranga iray mpahazo ny olona maro ny fikainkonan’ny nofo na ny crampe. Amin’ny fotoana tsy hampoizina mazana no tena hitrangan’izy io izay vokatry ny tsy fahampian’ny kalsiôma sy maneziôma ao anatin’ny vatana,

raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina. Raha sanatria ka any anaty rano no tratran’ny fikainkonan’ny nofo ny olona iray hoy hatrany ity dokotera ity dia tena sarotra ny zava-misy satria mety tsy ho afa-mihetsika ilay olona tranga izay mety hahavoa mafy mihitsy. Vahaolana aroson’ity mpitsabo iray ity araka izany ny tokony hamenoana hatrany ny sakafo hanina isan’andro mba ho tena ara-pahasalamana sy mifanaraka amin’ny filan’ny vatana hisorohana ny fikainkonan’ny nofo. Ho an’ny vehivavy bevohoka izay tratran’ity fikainkonan’ny nofo ity matetika moa dia fantatra fa vokatry ny tsy fahampian’ny kalsioma sy ny manezioma amin’ny vatany no mahatonga izany. Tsy maintsy mizara roa mntsy ireo hery fiarovana ao anatiny dia amin’ilay vehivavy sy ilay zaza ao am-bohoka ka tokony hofenoina hatrany amin’ny alalan’ny sakafo ara-pahasalamana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT