FIHINANANA SESAME

Mitazona fitadidiana, manatsara ny fahasalamana


  • Alakamisy 14 Aogositra 2025

Tafiditra tanteraka ao anatin'ny fialan-tsasatra lehibe isika.

Na izany aza efa miomana sahady amin'ny fiatrehana ny fidiran'ny mpianatra ny Ray aman-dReny. Ankoatra ny fividianana fitaovana...dia efa mandeha ihany koa ny fijerena ny mason'ny ankizy any amin'ny dokotera ho an'ireo manao solomaso raha toraka izany ny fikarakarana ny resaka fitadidiana. Tsy ho an'ny ankizy mpianatra ihany anefa fa na ny olon-dehibe aza dia fantatra fa manana olana amin'ny fitadidiana ihany koa amin'izao ka tokony hokarakaraina. Rehefa mihaantitra mantsy isika hoy Ramatoa Rasolofoson Iangotiana, tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny Ferme Aina izay mpamokatra sésame dia mihaantitra ihany koa ny ati-doha. Rehefa antitra ny ati-doha hoy izy dia mihena ho azy ny fitadidiana arahin'ny fampiasana finday lava sy ny tsy fahampian'ny torimaso, ny fiovaovan'ny tosi-dra...Manoro hevitra ny amin'ny tokony hampiasana ny sésame ity Renim-pianakaviana iray ity noho izany. Sady mahatsara ny fahasalamana ho an'ny olon-drehetra mantsy izany no manatsara ny fitadidiana ihany koa. Nomarihiny fa tsy lafo ny vidin'ny sésame raha oharina amin'ireo karazam-panafody fitazonana fitadidiana. Azo tsakotsakoina toy ny vatomamy voanjo hanina eny an-dalana eny izy....
Pati
Légende : Anisan'ny tena mpamokatra ny sésame ny Ferme Aina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT