FIHINANANA SAKAFO BE AKORA SIMIKA

Mitombo ireo olona tratry ny diabeta sy ny aretin’ny tosi-dra


  • Zoma 29 Desambra 2023

Mihatanora ireo olona lasibatry ny aretin’ny tosi-dra sy ny diabeta tamin’ity taona 2023 ity.

Any amin’ny 25 taona dia efa misy tratrany raha araka ny fanazavan’i Rija Mandimbison, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana. Raha araka ny nambarany dia vokatry ny fihinanana ireo karazan-tsakafo be akora simika no mahatonga izany. Lasa hatakalon’ny olona ny paty feno saosy matsiro ny vary izay tena foto-tsakafo hoy izy hany ka tonga ho azy ny aretina. Toraka izany koa ny fihinanana akoho fakana nofony diso tafahoatra izay mora kokoa noho ny hen’omby eny an-tsena eny raha tsy lazaina intsony ny fanjifana sy ny fampiasana ireo karaza-menaka tsy voadio na mandry izay voalaza fa tena mahabe kolesterola tokoa. Ny adin-tsaina ateraky ny hasarotan’ny fiainana anefa etsy an-daniny hoy izy tsy lazaina intsony. Ankoatra ireo aretina voalaza etsy ambony ireo moa dia nambarany ihany koa fa anisan’ny nahavoa betsaka ireo Malagasy tonga nitsabo tena tao aminy tamin’ity taona ity ny aretim-bavony sy ny resaka vanin-taolana. Soa anefa fa manana tombony isika hoy hatrany izy raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly noho ny fananana ireo akora natoraly azo hitsaboan-tena tsara. Toraka izany koa ny sakafo natoraly hoy hatrany izy. Mba hahazoan’ireo marary fahasalamana tsara ary dia hifarana amin’ny Alahady ho avy izao ilay hetsika fizarana Calvit maimaim-poana tanterahin’izy ireo. Efa naharitra iray volana izany mba hahafahana mampitombo ny kalsioma sy ny vitamina ao anatin’ny vatan’ireo marary.
Pati
Legende : Rija Mandimbison, nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT