Fahasalamana

Fihinanana odin-kankana Isan- telo volana ho an’ny zaza, isaky ny roa taona ho an’ny lehibe


  • Alarobia 04 Jolay 2018

Betsaka ireo olona tsy maharaka intsony ny fotoana tokony hihinanana odin-kankana noho ny rotorotom-piainana isan’andro.

Tafiditra ao ireo manan-janaka madinika tokony hanome ny zanany odin-kankana isaky ny telo volana, hoy i dokotera Fidy Bariniaina. Ao anatin’io telo volana io no lehibe ny kankana iray raha vao tafiditra ao an-kibo ka mila alana avy hatrany. Ho an’ny olon-dehibe indray dia isaky ny roa na telo taona no mety ary isaky ny 12 volana ho an’ireo monina any ambanivohitra. Nomarihiny fa avy amin’ny alalan’ny tanana maloto, rano na sakafo maloto no mahatonga ny kankana. Mampahia be izy raha vao tsy afaka, hany ka tsy mahazo aina mihitsy ilay olona. Nambarany fa mahafaty ny odin-kankana diso daozy. Tsy azo atao ihany koa ny mividividy ny fanafody fahatany eny amin’ny trano fivarotana madinika eny satria miankina amin’ny lanja sy ny taonan’ilay olona ny fatran’izy ireny.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT