Fahasalamana

Fihaonana anatina fety Efa miomana sahady ny Ministeran’ny Fahasalamana


  • Alakamisy 10 Jona 2021

Mbola tsy tena foana tanteraka ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika.

 

 

 

Mbola misy hatrany ireo tranga vaovao ankoatra ireo olona mamoy ny ainy na dia efa nofoanana tanteraka aza ny fihibohana. Tokony hitandrina hatrany araka izany ny tsirairay raha araka ny fanazavan’ny dokotera Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana. Anisan’ireny hoy izy ny fanaovana aron-tava tsy tapaka rehefa mivoaka ny trano, ny fanasan-tanana amin’ny savony, ny fanajana ny elanelana 1 metatra….Ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manokana dia efa miomana sahady ny amin’ny mety hisian’ny marary vokatry ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 izy ireo aorian’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona. Tsy maintsy misy mantsy hoy izy ny fifampikasohana ka ireo tsy maintsy horaisina manokana no efa hiomanana mialoha mba tsy ho tonga any amin’ilay tranga misy fahasarotana. Na izany aza dia fantatra fa efa nihenabe ireo olona mararin’ny Covid 19 tonga manatona ireo tobim-pitsaboana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eto an-drenivohitra. Ivon-toerana roa sisa araka izany no mandray ireo marary voakasik’izany dia ny CTC eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka sy ny ISTS eny Mandrimena Andoharanofotsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT