Fihaonamben’ny akademian’ny mpitsabo

Nifantohana ny fikarohana momba ireo valanaretina


  • Alatsinainy 02 Desambra 2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny Akademia malagasy etsy Tsimbazaza ny andiany fahatelo

amin’ny andro siantifikan’ny fiarahamonina malagasy ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Ry zareo eo anivon’ny akademian’ny fitsaboana na «académie de médecine» moa no nanatontosa ihany koa ny fivoriamben’izy ireo tao anatin’izany, raha ny fampitam-baovao voaray. Nifantohana manokana ny mikasika ny fikarohana momba ireo valanaretina malaza tato ho ato dia ny Aromontana, Pesta, Nendran-drajako. Ny Dr Jean Marie André, izay avy any amin’ny fakiolten’ny fitsaboana any Marseille, Frantsa no nitondra ny famelabelarany tao anatin’izany. Isan’ny nampahafantarina tao anatin’izay ny mikasika ny maha zava-dehibe ny fampiasana ireo tekinika mifanaraka amin’ny toetr’andro hisorohana sy hiadiana amin’ireo aretina ireo. Noresahina manokana ireo areti-mandripaka ireo satria nanova ny fiainan’ny zanak’olombelona ary tena namotika, hoy ny filohan’ny akademia, Pr Ange Andrianarisoa.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT