Fahasalamana

Fifohana sigara Karazana homamiadana telo no mety haterany


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Tena zava-doza, hoy dokotera Fidy Bariniaina, ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara eo amin’ny vatan’olombelona, izay marihana anio 31 mey ny andro maneran-tany hiadiana aminy.

  Karazana homamiadana miisa  telo no mety  haterany izay mahafaty avokoa  dia ny homamiadan’ny ativava, ny homamiadan’ny avokavoka ary ny homamiadan’ny tatavia. Ho an’ity farany manokana dia vokatr’ilay nicotine miafara any amin’ny tatavia no tena mahatonga azy. Ankoatra izay, mety hiteraka hasemporana ho an’izay mifoka azy ihany koa ny sigara, tsy  lazaina intsony ny tsy fahafahan’ny sain’ny olona iray miasa tsara raha vantany vao tsy misy azy. Ho an’ny ONG Ny Saha manokana izay fikambanana iray miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina eto amintsika dia  ao anatin’ny ankohonana mihitsy   no tena fototry ny olana  ka  tokony hanaovana fanentanana manokana . Avy amin’ny iraka hampanaovin’ny ray aman-dreny ny ankizy toy ny fanirahana azy ireny mba hividy sigara kely na hampirehitra sigara mantsy no tena mampirongatra ny fidorohana zava-mahadomelina ankehitriny satria heverin’ireo ankizy fa tsara. Ankoatra izay, ny fitarihin’ny namana sy ny zava-mitranga eto amin’ny firenena  tahaka izao no tena  mampahazo vahana ny fidorohana ihany koa. Raha tokony hianatra ny mpianatra dia mifampitarika amin’ny ratsy fotsiny. Ho azy ireo manokana dia misy hatrany ny fitetezana sekoly hampanaovina ilay sekolin’ny ray aman-dreny entina hanampiana sy hanohanana  ireto farany. Tany amin’ny sekoly tsy miankina iray any Analamahitsy no nanohizan’ny Ong  ny hetsika omaly nampahafantarana ireo ray aman-dreny ny andraikitra tokony horaisiny sy ny lalana momba ny fidorohana zava-madomelina. Anisan’ny nohazavainy omaly fa voararan’ny lalàna ny fanirahana zaza tsy ampy taona mandeha mividy sigara…. ka tokony hofadiana. 

Patty

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT