Fifehezana ny tazomoka

Nihemotra i Madagasikara


  • Talata 14 Novambra 2023

Manohana ny hetsika famendrahana fanafody mamono moka mba hiadiana amin'ny tazomoka i Etazonia.

Hiaro olona miisa 600.000 amin’ny fahafatesana izany hatramin'ny taona 2024, ezaka efa fanao isan-taona. Manampy an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny tazomoka ny vahoaka Amerikana . Aretina fahita matetika eny amin’ny tobim-pahasalamana manerana ny firenena izy io raha tsiahivina. Ho an’io famendrahana io dia eny amin’ny rindrina eny anivon’ny trano maherin’ny 165.000 izy no hafafy.
FANARAHA-MASO ISAM-BOLANA
Efa nanomboka ny 30 Oktobra teo ka hatramin’ny 1 desambra ny hetsika amin’ny alalan’ny Vinan’ny Filoha Amerikana amin'ny Ady amin’ny Tazomoka (PMI), eny anivon’ny distrikam-pahasalamana miisa dimy izay nahitana tranganà tazomoka betsaka. Olona maherin'ny 600.000, anisan'izany vehivavy mitondra vohoka miisa 14.000 ary zaza latsaky ny dimy taona miisa 84.000, no ho voaaro. Teo ambanin’ny fitantanan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) dia hentitra ny fomba nanarahana ny fitsipika momba ny tontolo iainana mandritra ny famendrahana. Tamin'ny alàlan'ny tetikasa “PMI Evolve” no nahafahana nanantanteraka izany, ary hisy ihany koa ny fanaraha-maso isam-bolana mba hahazoana antoka fa mahomby ny hetsika.
NIHEMOTRA
“Ny famendrahana fanafody mamono moka dia fitaovana voaporofo fa mahomby amin’ny fampihenana ny tranga sy ny fahafatesana ateraky ny tazomoka eto Madagasikara”, hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID/Madagasikara, Michele Russell, raha nanomboka ny hetsika. “Ny famindram-pitantanana ny asa amin’ny PNLP eny anivon’ny Distrika voakasika amin’ny izany dia dingana voalohany lehibe amin'ny fandraisan’i Madagasikara an-tanana ny fitantanana ireo asa famendrahana ireo.” Tamin'ity taona 2023 ity dia nihemotra i Madagasikara tamin'ny fifehezana ny tazomoka, izay midika fa ilaina ny fepetra fisorohana mahery vaika toy ny famendrahana fanafody, hetsika izay antsoina hoe “Indoor Residual Spraying” (IRS), sy ny fizarana lay misy odimoka. Araka ny angon-kevitra natao tamin'ny taona 2022, dia ny distrikam-pahasalamana any Iakora, Ivohibe, Isandra, Taolagnaro ary Ankazoabo Atsimo no hisitraka ny hetsika IRS. Ny governemanta amerikana no mpamatsy vola lehibe indrindra amin'ny fanohanana an'i Madagasikara hanamafy ny fisitrahan’ny vahoaka malagasy tolotra ara-pahasalamana manara-penitra, ka nanokana 440 tapitrisa dolara mahery nanomboka ny taona 2015 mba hamatsiana ny asa ara-pahasalamana, anisan'izany ny famatsiam-bola mitentina 26 tapitrisa dolara tamin'ny 2022 ho an'ny fifehezana sy fisorohana ny tazomoka.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT