Fahasalamana

Fifehezana ny fiparitahan'ny mikraoba Hisy ny paikady vaovao hapetraka


  • Talata 04 Jolay 2023

Anisan'ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka ny vahoaka ny ady amin’ny fiparitahan'ny mikraoba. Maro ny

karazan’aretina miparitaka ateraky ny fifindran’ny mikraoba ka tafiditra ao anatin’izany ny fiparitahan'ny otrikaretina tsy laitran'ny fanafody intsony. Nandray andraikitra ny Fanjakana manoloana izany ary napetraka ho laharam-pahamehana ny Fahasalamana. Arak'izany, nampahafantarina teny amin'ny Radisson Blu Ambodivona ny Fandaharanasa Nasionaly ho Fisorohana sy ho Fifehezana ny Fiparitahan’ny Mikraoba na ny "Programme National de la Prevention et de Contrôle de l'Infection - PNPCI". Mandritra ny dimy taona no hampiharana ity fandaharan’asa nasionaly ity eny anivon'ireo Tobim-pahasalamana miankina amin'ny fanjakana eto Madagasikara hahafahan'ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana manatsara ny kalitaon'ny tolotra, miasa anaty tontolo madio sy voakajy, lavitry ny mikraoba sy ny aretina ary hiarovana ny tsy fiparitahan'ny mikraoba.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo mpizaika nanatrika ny fihaonana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT