Fahasalamana

Fifehezana ny aretina kitrotro Tsy maintsy miara-miasa ny fanjakana sy ny vahoaka


  • Alakamisy 21 Febroary 2019

Tsy miankina intsony amin’ny fitondram-panjakana na ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka no hahafahana mifehy sy manafoana ny aretina kitrotro eto amintsika fa miankina amin’ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay avy.

 

 

 

 Raha ny fanazavan’ny dokotera Manitra Rakotoarivony omaly dia ny fanaovam-baksiny ihany no hany vahaolana tokana hahafahana miady amin’ny aretina, natokana ho an’ireo zaza sivy volana ka hatramin’ny sivy taona. Tokony hihazakazaka hitondra ny zanany avokoa ny ray aman-dreny raha te hiady amin’ity aretina ity. Ho an’ireo marary indray dia nohazavainy fa efa maimaimpoana avokoa ny fitsaboana ny marary eny anivon’ny hopitalim-panjakana saingy efa reraka be ny sasany vao tonga manatona, hany ka misy hatrany ireo mamoy ny ainy toy ny zava-misy any amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ireo marary nefa mbola mandeha mianatra sy miasa ihany, antony mampihanaka be ny aretina. Tsy tokony hifanerasera aman’olona mandritra ny 15 andro  ny marary. Ankoatra ny fanaovam-baksiny faobe izay mandeha amina faritra  enina ankehitriny dia misy hatrany ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ny kitrotro ho an’ny ankizy sivy volana eny anivon’ny CSB. Miisa 312 hatreto ireo olona fantatra fa efa namoy ny ainy raha 66.000 kosa ireo marary.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT