Fahasalamana

Fidirana ho mpiasam-panjakana 200 monja ireo mpampivelona voaray ...


  • Talata 14 Martsa 2017

200 monja tamin’ireo mpampivelona marobe nifaninana hiditra ho mpiasam-panjakana tamin’ity taona 2017 ity no voaray ary telo ny mpitsabo mpanampy.

Tena nitotongana tokoa ireo isa ireo raha oharina tamin’ny taon-dasa, antony nanosika ny sekoly ambony INSPNMAD tarihin’ny filoha tale jeneraliny Razanadrakoto Roland Albert namolavola ilay boky misy ny “Programme national éducatif Inspnmad” taom-pianarana 2016-2017 hampiharina tsy ho ela ho an’ireo mpianatra Paramed manaraka fiofanana ao aminy. Ankoatra izay, mbola betsaka amin’ireo sekoly ambony any amin’ny faritra eto amintsika no tsy mahalala akory ny mikasika ilay fanadinana nasionaly tokana sy ny rafitra LMD kasain’ny fakiolten’ny mpitsabo hotanterahina eto amintsika ny volana novambra ho avy izao ho an’ny IFIRP sy ny sekoly manofana ho paramed tsy miankina nahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana. Tamin’ny alalan’ny fitsidiham-paritra notanterahin’ny CMR-Paramed no nahafantarana izany ka teraka ho azy io fandaharam-pianaran’ny sekoly manokana io. Tanjony ny hanofana olona Hendry, mahay ary manam-pahalalana hisorohana ireo karazana tranga eny anivon’ny hopitaly mampihen-danja ny mpitsabo mpanampy sy mpampivelona. Eo ihany koa ny hahafahana miaro ny ain’ny vahoaka manontolo amin’ny alalan’ny fanofanana omena ireo mpianatra sy ny toe-tsaina vonona apetraka any anatin’izy ireo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT