Zava-doza ny firosoan’ny zanak’olombelona amin’ny fanjifana zavatra simika be loatra,
hoy ny talen’ny ivontoeram-pikarohana Kristianina Zaranaina, Zaranaina Christian. Efa voaporofo izany, hoy izy, nefa moa noho ny zava-misy ara-toekarena, indrindra, ho an’ny tandrefana, dia tena zavatra goavana be ny indostria momba ny sakafo. Tsy misy irony fitehirizana zavatra simika irony. Ny zava-misy dia ny 80%n’ny aretina dia noho ny fidiran’ny kasinga simika ao anaty vatana. Aleo mampiasa zavatra natoraly raha mbola azo atao. Matoa isika mbola tsy tratry ny fahapotehana tafahoatra toy ny any am-pitan-dranomasina. Ny ¼-try ny vehivavy frantsay izao na voan’ny homamiadan’ny nono na ahiana ho voan’izany. Ny fiarovana tsy maintsy atao izany dia ny tsy fampiasana zavatra be vokatra simika loatra. Ho an’ny diabetika izany izao misy an’io fampiasana “Aspartame”, izay taloha napetraka hoe siramamin’ny diabetika nefa taty aoriana dia sady mahavoa ny homamiadana no mampirongatra be ny diabeta. Tahaka izany ireny karazana ranomboakazo fihinan’ny ankizy ary tsy mahagaga raha mpianatra mbola any amin’ny EPP no voan’ny diabeta. Aleo mampiasa zavatra natoraly raha mbola azo atao ihany! Tsy ho an’izao fety izao ihany izany, hoy hatrany ny tenany, fa aleo atao fomba fiaina mihitsy manomboka izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.