Fahasalamana

Fiatrehana ny pesta Mitavozavoza ny fanjakana, hoy ny CRAM


  • Talata 10 Oktobra 2017

Nanakiana mafy ny fomba fiasan’ny fitondram-panjakana manoloana ny fiparitahan’ny pesta eto amintsika ny eo anivon’ilay vovonana mandalina ny hoavin’i Madagasikara na ny CRAM.

 

Voalazan’izy ireo tao anatin’ny fanambarana ny lesoka eo amin’ny fanatonana tobim-pahasalamana sy fandraisana an-tanana ireo marary. Tsy ampy ny fanazavana satria nilaza ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana fa mahafaty haingana ny pesta mpahazo ny tratra ary raha mikohoka sy misy iray amin’ireto: manavy, marary ny tratra, sempotra, rehoka misy ra dia manatona hopitaly kanefa mbola tokony ho nampiana hoe mitondra vera fanary sy karne ary manaova sarom-bava. Marobe, hoy izy ireo ny saika hanao fitiliana tany amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha saingy nilaza fa tsy afaka nanao fitiliana ary dia nifindra teny Befelatanana. Manana vahaolana hamongorana ny pesta ny kandidan’ny CRAM. Gaga izy ireo fa efa tamin’ny taona 2015 no nisy matin’ity aretina ity niisa 70 kanefa tsy mbola fongotra hatramin’izao.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT