Miteraka ahiahy sy tahotra any anaty fiarahamonina amin’izao fotoana ny valanaretina pesta, izay marihana fa azo tsaboina rehefa fantatra ara-potoana sy voakarakara eny amin’ny tobim-pitsaboana.
Mandritra ny 8 ka hatramin’ny 10 andro eo ny fitsaboana, misy ny tsindrona tsy maintsy atao isaky ny adiny telo ary mihalava io fe-potoana io avy eo rehefa mivoatra ny fahasalaman’ilay olona voan’ny pesta. Ny serasera sy ny fanentanana no tsy ampy ka tokony hezahan’ny minisiteran’ny fahasalamana mafy, hoy ry zareo avy ao amin’ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar), izay nanana solontena nandeha teny amin’ny hopitaly Ambohimiandra ary nahita ny zava-misy marina eny.
Fitsaboana
Eny amin’ny hopitaly Ambohimiandra amin’ny ankapobeny no fantatry ny maro fa hitsaboana ny pesta na dia efa mandray marary ihany koa aza ny hopitalim-panjakana hafa. Manaraka akaiky ny zava-misy eto amintsika ireo fikambanan iraisam-pirenena ary manampy amin’ny lafiny ara-torohevitra, ara-bola sy ara-pitaovana. Ny talata hariva teo izao dia nametraka fitaovana hahazoana rano fisotro madio teny amin’ny hopitaly Ambohimiandra ny Unicef, hampiasain’ny rehetra eny an-toerana. Ao anatin’ny fandaminana sy fiarovana tsy maintsy natao ihany koa ny famefena ny hopitaly (ilay trano) ary ny fananganana trano lay hitazonana ireo mararin’ny pesta. Misy ihany koa ny toerana manokana handoroana ireo fanamiana avy nampiasain’ireo mpitsabo. Misy ny dapam-pako manokana hanariana azy ireo mialoha izay satria tsy azo entina mivoaka ny faritry ny hopitaly izay zavatra rehetra efa nampiasaina tao. Tsy hoe mandamaka tsy tafahetsika eo ambony fandriana ny mararin’ny pesta fa afaka mandeha sy miresaka tsara, raha ny hita eny Ambohimiandra.
Ireo nifandray tamin’ny marary
Na dia tsy tazonina eny amin’ny hopitaly aza ireo olona nifanerasera sy nifandray akaiky tamin’ny mararin’ny pesta dia misy fandraisana an-tanana tsy maintsy atao kosa. Vao tonga eny amin’ny tobim-pahasalamana dia raisina ny momba an’ilay marary sy ny olona mifandray taminy. Mahazo fanafody mandritra ny dimy andro ireo olona ireo sy ny mpanati-bary. Avy hatrany dia tonga any an-trano ny “Médecin Chef” eo amin’ilay kaominina miaraka amin’ny tompon’andraikitra avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny mpanao fandrarahana ranom-panafody ny trano sy ny manodidina. Ankoatra izay, miantso isan’andro ny tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana manontany ny fahasalaman’ny olona mifandray amin’ny marary any amin’ny hopitalin’ny pesta mandritra ny valo andro. Tena mitaky fanovana ny fomba fijery sy ny toe-tsaina ary ny fanarahana ireo fitsipaka apetraky ny mpitsabo no fomba haingana indrindra tsy hisian’ny matin’ny pesta intsony, hoy i Joel Harison Marie René filohan’ny CRAM. Mitaky ezaka goavana amin’ny fitondram-panjakana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay hanentana ny olona izany. Tsikaritra mantsy fa misy foana ny manjavozavo momba ny pesta ary tsy ilaozan’ny politika foana ny fiatrehana ny zavatra tahaka izao. Na ilay tsy fitovian-kevitra amin’ny fotoana hiverenan’ny mpianatra any an-tsekoly aza dia efa hafahafa, tahaka ny hoe tsy mahatoky ny fitondram-panjakana intsony amin’ny didy sy toromarika navoakany ny sekoly sasany. Ny fanjakana koa tsy sahy mibedy fa dia hoe samy tompon’andraikitra amin’ny ataony ny rehetra. Ho sarotra anefa ny mifehy ny valanaretina tahaka ny pesta raha vao tsy mitovy ny fomba fijery sy ny fomba fiasa. Afaka manampy foana ny sehatra iraisam-pirenena saingy mety tsy hahomby ny ezaka rehetra atao rehefa ny samy Malagasy no mifanipa-kevitra amin’ity ady atao amin’ny pesta ity ary tokony hialana ihany koa ilay fanafenam-baovao sy fanaboriboriana resaka mahazatra fanaon’ny mpitondra .
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.