Fahasalamana

Fiatrehana ny pesta eny anivon’ny sekoly Tsy mbola nisy ny olana hatreto


  • Zoma 10 Novambra 2017

Herinandro anio zoma sahady ny nidiran’ny mpianatra nianatra taorian’ny vakansin’ny pesta izay naharitra iray volana. Samy nanao ny ho afany ireo sekoly nandritra ny efatra andro voalohany,

  toy ny fanasana ny tanan’ny mpianatra tany an-tsekoly, ny fitsapana ny hafanana na ho an’ny mpanatitra na ho an’ny ankizy, ny fametrahana ny salle d’isolement ho an’ireo ankizy ahiahiana, ny fametrahana ireo Comité de vigilance mba hanara-maso ny fahasalaman’ny mpianatra. Ho an’ny sekoly tsy miankina La Prime etsy Anosibe manokana dia nambaran-dRtoa Solonandriana Lanto, talen-tsekoly fa tsy mbola nisy ny olana hatreto. Salama tsara avokoa ireo mpianatra teo ambany fiadidiany ary mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanaraha-maso azy ireo. Mikasika ny famitana ny fandaharam-pianarana manokana dia nomarihiny fa ezahina hovitaina ao anatin’ny 37 herinandro nomen’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Amin’ity volana desambra ity monja no fantatra fa tsy hisy ny fanadinana telo volana voalohany satria  fitsapam-pahaizana no hampanaovina ny mpianatra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT