Fahasalamana

Fiatrehana ny hatsiaka Tena mila sokay ny vatana


  • Zoma 03 Jona 2022

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika izao. Ankoatra ny vitamina hahafahana mampitombo ny hery fiarovana ao anaty dia anisan’ny takian’ny vatana ihany koa ny sokay (calcium).

Maro ny endrika hisehoan’ny tsy fahampian’ny sokay raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny mpitsabo iray. Anisan’ireny ny volo simba, ny tsy fahampian’ny torimaso…. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mahatratra 1200 mg isan’andro isan’olona ny kalsioma ilain’ny vatana ho an’ireo mihoatra ny 18 taona. 1900 mg isan’andro isan’olona kosa izany ho an’ny olon-dehibe…. koa raha vantany vao latsak’izany ireo miditra ao anatin’ny vatana dia maro ireo zavatra miova. Miantoka ny fahasalaman’ny nify sy ny taolana iray manontolo mantsy ny 99%-n’ny sokay raisin’ny vatana ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Ho fanampiana ny mpiara-belona ary dia hitohy indray ilay hetsika fizarana sokay na calvit maimaimpoana hotanterahin’ny Centre Aina Soa etsy Namontana. Ho an’ireo olona manaraka fitsaboana ao an-toerana no hisitraka izany. Ho an’ireo mila fanampiana sy toro-hevitra kosa dia nambaran’Atoa Rija Mandimbison tompon’andraikitra voalohany ao an-toerana fa ny tenany mihitsy no handray ireo marary mba hisian’ny vokatra mahomby sy azo tsapain-tanana.
Pati
Legende : Zava-dehibe ny fihinanana sokay natoraly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT