Fahasalamana

Fiatrehana ny Covid-19 Efa nahazo « réquisition » vaovao indray ireo Paramed


  • Alatsinainy 01 Febroary 2021

Raha mbola tsy nahitam-bokany eny fa na dia fisaorana indraim-bava nataon’ny

 

 

 

Ministry ny Fahasalamam-bahoaka aza fankasitrahana ireo paramed eto amintsika tamin’ny ady natao tamin’ny valan’aretina Covid-19 hoy izy ireo dia efa nahazo requisition vaovao indray izy ireo. Ny alakamisy lasa teo no nivoahan’izany raha araka ny fanazavan’Atoa Andriambololona Soavina, filohan’ny antena sendikaly eo anivon’ny Paramed tamin’ny mpanao gazety ary tsy maintsy tanterahina. Milaza fa sahirana ny fanjakana hoy izy, antony tsy mbola hanefany ny fitakianay nefa zandary, miaramila ary polisy an-jatony no omena indemnite sy hiantohana sakafo atoandro niandry anay teny amin’ny HJRA Ampefiloha tamin’ny sabotsy teo. Tsy hitokona anefa izahay hoy izy fa hanao tatitra tamin’ny fihaonanay tamin’ny Ministra tompon’andraikitra mikasika ny fitakiana ny zonay. Diso mironabe loatra mankany amin’ny mpitandro ny filaminana ny Fitondram-panjakana ankehitriny hoy hatrany ity filohan’ny antena sendikaly ity fa tsy mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahasalamam-bahoaka. Betsaka hoy izy ireo paramed nalefa nisotro ronono nefa tsy nosoloina akory ny toerany. Ny valan’aretina Covid-19 anefa mbola manao ny hataony ihany hoy izy asa izay mbola miandry ireo paramed avokoa. Miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha moa ny mety handraisan’izy ireo andraikitra na tsia manoloana ity requisition vaovao vao azony ity indray.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT