Fahasalamana

Fiatrehana ny Coronavirus Mihorohoro koa ny any amin` ny faritra


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Tsy eto an-drenivohitra ihany fa dia manomboka mihorohoro ny fiparitahan` ny Coronavirus fa ny any amin` ny faritra manerana ny nosy. Ireo mpandeha avy any Frantsa no tena lasibatra tato ho ato. Tany Belo sur Mer, ohatra dia vazaha vavy, mpitantana hotely ao an-toerana, tonga tany an-toerana ny zoma lasa teo no ahiahin` ny mponina. Isan’ireo mpandeha tamin’ny sidina faramparany avy any Frantsa ity vahaza ity no nidina aty amin’ny Faritra Menabe ary tonga ao Belo sur Mer.

Tratry ny tsy fahasalamana io vazaha io ankehitriny, araka ny fanairana nataon’olona avy any Belo sur Mer voarain’ny solontenam-panjakana ao Menabe, ary dia efa nisy iraka nalefa any an-toerana naka io vazaha vavy io ny atoandro teo, ho eto Morondava hamantarana ny fototr’aretiny.

Ambanja

Any Ambanja indray dia lehilahy tonga avy any Bordeaux –Frantsa no hita mivezivezy mampiahiahy ny olona. Isan’ireo Malagasy tonga tao anatin’ny fe-potoana hatramin’ny 19 marsa 2020 nomen’ny fanjakana hodian’ireo te hiverina an-tanindrazana ity lehilahy iray ity. Vao tonga avy any Bordeaux any izy, ary mandehandeha eto an-tanàna, ary diso fantatra, ka mampiahiahy ny olona indrindra manoloana ny fisian’ity COVID-19 ity ka hanairan’ny mponina ny manampahefana.

Sambava

Any Sambava ihany koa dia misy olona roa avy tany Frantsa no tafiditra an-tanàna. Ny iray monina ao Ambodisatrana ary ny faharoa vehivavy any Andapa-II Kaominina Analamaho, toerana somary lavidavitra ny renivohitry ny Distrika Sambava. Manao fanariana ny mponina manodidina hoe « misy vahiny avy an-dafy tonga aminay ato ka mampiteraka savorovoro ». Ny alakamisy 19 martsa lasa teo no nahatongavan’izy ireo tany Sambava. Ankoatra ireo dia nampiahiahy ny mponina ao Ambolimadinika Kaominina Nosiarina Sambava ihany koa ny nahita ireo mpivahiny miisa 12 vao tonga avy any Manakara. Tena mila fehezina haingana ny tranga toy izao fa sao miteraka savorovoro any anaty fiarahamonina.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT