Sarotsarotra tato ho ato ny fahitan-tory, samy malahelo, samy mitaintaina, samy matahotra ny aretina COVID-19 taorian` ny fanambarana fa misy tranga voamarina eto Madagasikara.
Tsapa nandritra iny farany herinandro iny fa maro ireo olom-pirenena nilahatra teny amin` ny fivarotam-panafody, tobin-dasantsy, fivarotana enta-madinika… nangona izay heveriny fa ho ilainy entina hiatrehana ny “coronavirus”. Nilahatra nividy voasary makirana sy sakamalaho ary ireo hanitra heverina fa mety hiaro azy amin` izany ihany. Etsy ankilany, ny fitondram-panjakana dia manao izay ho afany mba ho tony na dia tsy mora aza izany. Noho izany, andrasana amin` ny mpitondra fanjakana sy manampahefana isan-tsokajiny, izay fara fahaizany hametrahana ny paikady sy tetika handresena ity COVID-19 ity.. Tsy tokony hisorona hampiasa fahefana eo am-pelatanany. Tsy tokony handainga amin'ny vahoaka kosa anefa, fa manambara ny marina ary olona mahay ny asany sy mendrika hiatrika vahoaka no tokony hasaina miteny. Etsy andaniny, ny vahoaka dia tokony hanaraka izay toromarika apetraka. Efa eto tokoa ny “Coronavirus” ary tsy honohono na angano ka tsy vitan'ny mokon-doha io fa tena mila fifehezan-tena be ary mila arahana ny toromarika. Mila manara-baovao ihany koa. Tsy maharesy io aretina io ny fifanenjehana fa aleo laniana amin'ny zavatra. Marihana fa matoa niparitaka haingana be ny Coronavirus tany Italia sy Frantsa dia mafy loha be sy sarotra tenenina ny olombelona ao. Azo raisina ohatra I Rosia eo amin`ny fanarahana torimarika: 20 isa no tranga voamarina fa mitondra ny tsimokaretina saingy tsy misy hatreto ny aina nafohy. Ara-jeografia, izy no firenena akaiky amin` I Sina kanefa noho ny fahaiza miaina nasehoan` ny vahoakany dia voafehy ny “coronavirus”. Any Korea Atsimo ihany koa, voafehy ny “pandémie” noho izay fanarahana toromarika izay. Fotoana izao iatrehana ny zava-misy. Maro tokoa ny fepetra azo noraisina sy tokony ho raisina fa mila atomboka amin`ny tsirairay ny fiarovana.
|
Andeha hanaja ny toromarika rehetra raha tsy maintsy mifanerasera amin'olona dia raiso ny fepetra : 2-tapeno amin` ny sandry ny vavav sy ny orona raha sendra mikohaka na mihevina 3- hajao ny elanelana 1 metatra amin` ny olona mikohaka na mafana hoditra 4- Ataovy fahazarana ny tsy mandrora na mandrehoka amin` ny tany Raha mafana hoditra, mikohaka, sempotra dia ampandreneso ny mpitsabo na tobim-pahasalamana akaiky anao indrindra. Raha mila fanazavana fanampiny, antsoy maimaimpoana ny 913. |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.