Fahasalamana

Fiaran'ny CORONAVIRUS Misy misoloky sahady


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

Mampahafantatra antsika olom-pirenena rehetra ny polisim-pirenena fa ireo fiara 4x4 manokana miasa amin’ny Coronavirus avy any amin’ny CCO (Centre de Commandement Opérationnel) ihany no afaka manao ny fizahana manokana ara-pahasalamana isan-tokantrano.

Misy sahady mantsy amin’izao fotoana izao ireo olona mitady hisoloky ho mpiasan’ny fahasalamana ary miaraka amin’ny fiara mihitsy izy ireo milaza fa isan’ireo dokotera mizaha manokana ny resaka « Coronavirus » ka manatona antsika vahoaka any an-tokantrano any. Tsara arak’izany ny manamarika fa miantso ary mampandre mialoha foana ilay olona hozahana fahasalamana ireo ny tompon’andraikitr’ireo fiara manokana 4x4 ireo izay vao tonga any amin’ilay toerana misy olona hozahana. Marihina fa mpiasan’ny fahasalamana sy mpitandro ny filaminana no ao anatin’ireny fiara ireny. Azo hatao tsara arak’izany ny miantso ny mpitandro ny filaminana akaiky azy indrindra raha sendra mahita tranga mifanohitra amin’ireo voalaza etsy ambony ireo.

Nangonin'i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT