Fahasalamana

Fiaraha-miasa ara-pahasalamana Manamafy ny fahavononany ny USAID


  • Talata 03 Novambra 2020

Tonga nanao fitsidihana ombam-panajana ny Minisitra, Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis, teny amin'ny Birao fiasany eny Ambohidahy ny "Mission Director"-n’ny "USAID" miasa sy monina eto Madagasikara John Dunlop, omaly 02 novambra.

 

 

 

 Nandritra izany no nampahafantarany tamin'ny fomba ofisialy ny Tale-paritra vaovao miandraikitra ny Fahasalamana, Sophie Brewer. Naneho fahavononana feno ny vahiny ary nanamafy ny fahazotoany hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanomezana fitsaboana mendrika ny vahoaka. Zava-dehibe ho an'ny vahoaka malagasy ny fiaraha-miasa toy izao, hoy ny Minisitra, ary nantitranteriny fa ny zavatra rehetra atao dia tokony hisy fiantraikany mivantana any amin'ny vahoaka. Nomarihina, fa ny "USAID" dia miara-niasa akaiky hatrany amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, amin'ny ady amin'ny Tazomoka amin'ny alalan'ny Tetikasa "IMPACT", eo amin'ny sehatry ny fampiroboroboana ny fahasalamana amin'ny alalan'ny Tetikasa "ACCESS".

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT