Fahasalamana

Fiara tsy laitram-bala nomena ny tafika Tsy araky ny nampanantenaina no nitranga


  • Zoma 14 Jona 2019

Tsy mahomby amin’ny fanenjehana dahalo ireo fiara tsy laitram-bala miisa roa natolotry ny filoha ho an’ny tafika, izay nilazany ny 19 janoary fa anisan’ireo laharam-pahamehana ho azy ny fampandriana fahalemana.

 

 Nalefa tany amin’ny faritra Betsiboka sy Anosy ilay izy. Tsy tena afaka mandeha amin’ireo toerana na lalana misy lavadavaka na mivaky ireo fiara, raha fanazavana ara-teknika nivoaka tamina fampahalalam-baovao iray. Nalefa amin’ny tanàn-dehibe any amin’ny faritra nandefasana azy ny iray amin’ireo fiara amin’izao fotoana mba hamboarina sy hokojakojaina satria mety haseho sy hampandraisina anjara amin’ny matso amin’ny fankalazana ny faha-59 taonan’ny fahaleovantena. Tsy tena nahavaha olana aloha izany, fa ny kisehoseho ivelany sy ny kabary nifandraika aminy no betsaka. Mbola baraingo mandrak’androany ihany koa ny fomba nampidirana azy tsy tamin’ny fomba mangarahara, ary tsy nisy na tompon’andraikitra ara-panjakana na iray monja aza nitondra fanazavana matotra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT