Fahasalamana

Fiantohana ara-pahasalamana Manomboka liana ny Malagasy


  • Talata 22 Febroary 2022

Tontosa ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny trano fiantohana ara-pahasalamana AFAFI etsy Behoririka ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasan’ity trano fiantohana ity sy ny Randrana sendikaly. Anton’izany,

 hoy ny fanazavana, dia satria mitovy ny tanjona eo amin’ny AFAFI sy ity sendika ity. Toy ny fiantohana rehetra dia misy ny latsak’emboka ataon’ireo mpiasa mpikambana ahafahan’ny trano fiantohana mandray an-tanana azy ireo raha tojo tsy fahasalamana. Anatin’izany ny aretina tsotra, fiterahana, fidirana hopitaly hatramin’ny resaka fandidiana. Ireo tsy manana fiahiana ara-pahasalamana, mazava ho azy, no entanina voalohany hiditra ao. Arakaraky ny tolotra alain’ilay mpikambana sy ny fahafahany ny latsak’emboka alohany. Hatreto dia miisa 40.000 eo ireo mpikambana, izany hoe 1000 isa isam-bolana eo hatramin’izay niorenany ny taona 2007 izay. Miisa 5 hatreto ireo faritra iasana. Manomboka liana amin’ny fiantohana ara-pahasalamana ny malagasy amin’izao fotoana izao. Mety noho ny anton’ny falafosan’ny vidim-panafody angamba. Tsy vola ihany no sakana fa ny ara-psiko sosialy koa. Ho an’ity omaly ity kosa dia ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy manara-drafitra na “ secteur informel” sy miasa tena no tena nojerena manokana satria tsapa fa na anatin’izany aza izy ireo dia mandoa hetra hatrany satria mandoa “ticket” sy akana haba. Raha misy sehatra manara-drafitra koa anefa mbola tsy manana izany karazana fiahiana ara-tsosialy izany dia asaina hiditra ao anatin’izao sehatra izao, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija
Legende: Lanonana fifanaovan-tsonia tetsy Behoririka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT