Fahasalamana

Fialantsasatry ny pesta Mbola hitohy hatramin’ny 5 novambra


  • Sabotsy 21 Oktobra 2017

Ny alatsinainy 6 novambra ho avy izao indray vao hiverina an-tsekoly daholo ireo mpianatra manerana ireo fari-piadidiam-pampianarana 25 nahitana ny valanaretina pesta, araka ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly.

 

Mbola hitohy haka aina ao anatin’ny fialantsasatry ny pesta ny ankamaroan’ny mpianatra, eny fa na dia ho an’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana aza. Lohalaharana ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Avaradrano, Toamasina I, Mahajanga I ary Fianarantsoa. Na izany aza anefa dia hisy hatrany ny hetsika hataon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny fanofanana ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana eny anivon’ny sekoly mba hahatomombana tsara ny fandraisana ny mpianatra. Ny alarobia 25 oktobra ho avy izao no hanatanterahana ny hetsika.  Anisan’ny tanjona ny hahafahana manara-maso ny fahasalaman’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly, ny fametrahana efitrano manokana natao handraisana ireo ahiahiana ho voan’ny pesta, ny fepetra raisina raha toa ka misy marary tokoa. Tsiahivina fa anisan’ny manampy betsaka ny minisitera amin’ny fanatanterahana izany rehetra izany ny OMS sy ny UNICEF.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT