Fahasalamana

Fiainana andavanandro Efa tsy voahaja intsony ireo fepetra ara-pahasalamana


  • Alarobia 10 Martsa 2021

Efa samy mamory olona daholo na ny mpanohitra na ny mpitondra, hoy ilay mpandraharaha iray izay.

 

Niaraha-nahita tokoa ny zava-nisy teny Tanjombato sy ny teny Mahamasina ny 6 martsa teo. Ny talohan’izay rehetra moa tsy lazaina intsony fa navela nalalaka hifanerasera tamin’ireo mpankafy azy avy eto an-toerana ny mpanakanto vahiny iray. Tafiditra malalaka ny seranana sy ny lanitr’i Gasikara ihany koa. Any anaty fambolen-kazo, fety aman-danonana isan-karazany, hetsika tarihina minisitera ary eo ambany mason’ireo minisitra isanisany mihitsy dia efa saika tsy ahitana olom-pirenena manao arotava firy intsony. Ny sasany aza moa tsy misy manao mihitsy na ny iray aza, toy izay hita tamin’ny fety niarahana tamin’ny minisiteran’ny serasera farany teo. Izany elanelana iray metatra sy fanasana tanana amin’ny savony matetika izany dia toy ny efa nofy ratsy nandalo. Andrasana, noho izany, ny toromarika “ofisialy” avy amin’ny fitondram-panjakana mikasika ny fandravana amin’izay ity fepetra ara-pahasalamana ity.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT