Fahasalamana

Fiainaa andavanandro Mampitandrina amin’ny resaka AVC ny mpitsabo


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Maro ireo olona fantatra fa tratry ny aretin’ny fahatapahan’ny lalan-dra hita teny anivon’ny hopitalim-panjakana tato ho ato.

 Tsy hanavahana sokajin-taona intsony izany raha araka ny fantatra fa saika lasibatra avokoa ny rehetra noho ny antony maro. Nambaran’ny dokotera Fidy Bariniaina fa miainga amin’ny fomba fiainan’ny tsirairay izy io amin’ny ankapobeny raha olana iraisan’ny rehetra kosa ny rarintsaina, indrindra fa ho an’ireo mponina eto an-drenivohitra. Tokony hahay hampiasa vatana ny tsirairay raha araka ny fanazavany ka anisan’ny tena tokony hatao sy vahaolana tsara indrindra ny fanaovana dia an-tongotra eo amin’ny 30 ka hatramin’ny ora iray isan’andro raha kely. Toraka izany ihany koa ny fanajana ireo karazan-tsakafo tena ilain’ny vatana sy takiany toy ny trondro sy ny hena izay ahitana proteina. Toraka izany koa ny fisotroana rano betsaka arahin’ny fihinanana voankazo sy legioma. Ankoatra ireo dia ilaina hatrany ny fifohana rivotra madio mba hahasalamana ny vatana. Notsiahivin’ity dokotera ity fa mora tratry ny fahatapahan’ny lalan-dra ireo olona mifoka sigara sy misotro toaka na koa midoroka zava-mahadomelina.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT