Fiahiana ny fahasalamam-bahoaka

Natomboka teny Andavamamba ny fizahana maimaimpoana


  • Zoma 15 Novambra 2024

Vokatry ny loto sy ny rano miandrona efa mandava-taona dia maro ireo mponina eny amin’ny faritra iva

 no tsy salama sy taizan’aretina. Sahirana anefa izy ireo ka tsy mahavita ny hoe mizaha fahasalamana na mitsabo tena , tsy misy ny vola.Nitaraina tamin’i Tahina Razafinjoelina izy ireo raha tafahaona taminy ny alahady 10 novambra lasa teo hoe mba jereo izay azo atao aminay. Nanome toky i Tahina Razafinjoelina fa hijery izay azony atao miaraka amin’ireo mpiara-aminy.Tontosa izany androany alakamisy 14 novambra 2024. Ka natomboka teny Andavamamba Ambilanibe fizaham-pahasalamana sy fanomezana fanafody, maimaimpoana miaraka amin’ny mpitsabo matihanina. Ny aretin-koditra sy ny aretin’ny taovam-pisefoana no tena mahavoa olona maro eny amin’ny faritra iva. Tena nibosesika ny vahoaka , misy anefa ny fandaminana tsy maintsy atao ka noferana ho 150 ireo noraisina.Mbola hitohy ny zoma 15 novambra ity fizaham-pahasalamana atao eny Andavamamba ity,araka ny fangatahan’ny mponina satria tena mbola maro be ireo tsy voaray androany. Isaorana i Tahina Razafinjoelina noho ny fitsinjovany anay ety ambany tanana hoy ny mponina, fa tena zavadehibe ho anay izao fitsaboana sy fanomezana fanafdy izao. Mbola ho jerena ihany koa izay mety hanoavana ity hetsika ity eny amina fokontany hafa.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT