Fahasalamana

FI.TRA.MA Misy misoloky sahady ny fanafody vokariny


  • Zoma 03 Jolay 2020

Misy misoloky sahady ny fanafody vita avy amin’ny zava-maniry vokarin’ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy na ny FI.TRA.MA raha araka ny tafa nataon-dRafanomezantsoa Jean Nirina filohany tamin’ny mpanao gazety.

 

 

 

 Milaza ireo olona misoloky ireo fa manana birao eny Soavimasoandro ary mandray olona nefa tsy mbola misy biraon’izy ireo eny an-toerana raha araka ny fanazavana azo hatrany. Efa miparitaka izany fanafody izany ary misy soratra mihitsy ilay tavoahangy misy azy hoe : FI.TRA.MA. Manoloana io tranga io dia fantatra fa hitory ny FI.TRA.MA. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy mampaninona azy na iza na iza hisehatra amin’ny asa fitsaboana nentim-paharazana. Tsy ekeny kosa anefa ny fitondrana ny anaran’ny FI.TRA.MA entina hamitahana na hisolokiana olona, indrindra fa ireo mpiara-belona manana olana ara-pahasalamana. Miantso ny rehetra mba ho mailo sy hitandrina araka izany ity filohan’ny FI.TRA.MA ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT