Fahasalamana

Fetin’ny reny Voakarakara manokana ireo tera-bao ao Befelatanana


  • Sabotsy 27 Mey 2017

Tsy manadino ireo vehivavy vao tera-bao tonga miteraka etsy amin’ny hopitaly Befelatanana ny orinasam-pifandraisana Airtel amin’izao ankatoky ny fetin’ny reny izao.

 

Tonga nanolotra fanomezana toy ny savony, ncouche, thermos, akanjokely ho an’ ireo renim-pianakaviana miisa 100 izy ireo omaly, hetsika efa fanaony isan-taona. Tsy vao sambany no nanohana ny hopitaly Befelatanana ity tambajotram-pifandraisana iray ity. Vao haingana, ohatra, no nanolotra couveuse maromaro izy ireo, antony nahatonga  ireo couveuse ao Befelatanana hahatratra folo ankehitriny. Kojakoja natokana ho an’ireo zaza menavava  miisa folo ihany koa no mbola hatolony ao amin’ireo hopitaly  ao Antsiranana sy Toliara ary Farafoday anio sabotsy, hetsika mbola tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny reny hatrany. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Airtel Maixent Bekangba fa ny reny no fototra maha firenena ny firenena iray ka tsy azo hatao tsinontsinona. Vonona izy ireo ny hiara-kiasa amin’ny hopitaly  hahafahana  manohana azy ireny ho fitsinjovana ny isan-tokantrano.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT