Fahasalamana

Fepetra ara-pahasalamana Maro be sahady ireo tsy manao arovava oroma


  • Alatsinainy 07 Jona 2021

Maro be sahady ireo olona tsy manao arovava orona hita mandehandeha eny amin’ny arabe nanomboka ny sabotsy teo,

 

herinandro voalohany nahataperan’ny fihibohana teto amintsika. Ho an’ny teny Isotry manokana dia nisasaka mihitsy tamin’ny Sabotsy teo ny isan’ireo olona nanao arovava orona sy tsy nanao izany. Ireo nitandrina hatramin’izay ihany no tazana nitandrina fa ny ankamaroany dia saika tsy nivaky loha intsony. Vahoaka maro anefa no nifanaretsaka teny an-toerana nisantatra ny fahafahana miantsena sy mandehandeha amin’ny andro sabotsy taorian’iny fihibohana iny. Mbola mampanahy ihany araka izany ny mety hahafoana tanteraka ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika. Tsy mahatandrin-tena mantsy ny ankamaroan’ny olona, ka tokony hohamafisina hatrany ny fanentanana. Raha tsiahivina kely anefa dia na ny gripa mahery aza dia voasoroky ny fanaovana arovava orona mba tsy hifindra raha toa ka manaiky ny hanao izany ny rehetra. Toraka izany koa ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka….

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT