Fahasalamana

Fenoarivo Atsinanana Olona 35 voapoizin’ny « composé »


  • Zoma 12 Novambra 2021

Olona miisa 35 no fantatra fa voapoizin’ny fihinanana compose nisy maionezy tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Misy ankizy sy olon-dehibe izy ireo toeram-pivarotana

 hanimasaka amoron-dalana voalaza fa tena malaza tokoa no sady tena be mpanjifa. Tamin’ny alalan’ny aretin-kibo sy fandoavana no niandohan’ny aretin’ireo olona ireo. Nisy ihany koa ireo narary an-doha mafy ka voatery naiditra hopitaly. Raha araka ny loharanom-baovao azo farany moa dia efa nakatona ity toeram-pivarotana hani-masaka nanapoizina olona ity. Efa nandraisana fepetra ihany koa ny tompony. Ankoatra ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana dia olona miisa 166 ihany koa no fantatra fa tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo tany amin’ny distrikan’Anjozorobe. Mbola vokatry ny fihinanana compose ihany koa no voalaza fa antony mahatonga izany. Tsiahivina moa fa tena mampidi-doza tokoa amin’ny andro mafana tahaka izao ny maionezy rehefa mivadika. Lasa poizina avy hatrany izy ireny indrindra fa raha atodin-gana no hampiasaina ka tokony samy hitandrina ny tsirairay. Ny resaka fitahirizana ny sakafo sy ny fiarovan azy tsy ho voan’ny loto ihany koa dia tena zava-dehibe ary efa lalàna mihatra eto ny hoe : tsy maintsy ao anaty “vitrine” ny sakafo amidy.
Pati
Legende : Nitsirara teny am-pandriana tahaka izao avokoa ireo marary
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT