Fahasalamana

Fasan’ny Karana Vehivavy iray voadonan’ny taksibe 194


  • Sabotsy 23 Febroary 2019

Sahotaka ny teny akaikin’ny Toby fiantsonan’ny fiara eny amin’ny Fasan’ny karana Ankadimbahoaka omaly atoandro. Fiara iray ao anatin’ny koperativa Mirindra Zotra 194 mantsy no voalaza fa nandona olona teny an-toerana.

 

 

 Naratra mafy ary tena miady amin’ny fahafatesana io olona voadona io, izay vehivavy ka tena nahiana ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Nitangorona avy hatrany ny olona teo anatrehan’ity toe-javatra ity ka nandositra ny mpamily sy ny mpanampy azy noho ny tahotra fitsaram-bahoaka ka navelany teo ilay fiara. Fandehanana mafy no nitarika ny loza. Vao omaly maraina ihany koa no nisy fiara ao anatin’ny zotra 163, iray tarika amin’ny 194 ao anatin’ny koperativa mirindra nidona mafy tamin’ny andrin-jiro teny amin’ny digin’Anosipatrana noho ny fandehanana mafy. Ny resaka fifanenjehan’ny taksibe rehefa sendra lalana malalaka no  mitera-doza matetika, ary anisan’ny koperativa andrenesana fitarainana noho ny tsy fanajana mpandeha ireto namoa-doza ireto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT