Fahasalamana

Faritra Vakinankaratra Misy fifandraisany ny toe-tany volkanika sy ny homamiadana


  • Talata 14 Febroary 2023

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy lasibatry ny aretin’ny homamiadan’ny nono sy ovaire any amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Tsy hanavahana sokajin-taona intsony izany raha araka ny vaovao azo fa saika mitondra faisana avokoa ny ankamaroan’ny vehivavy noho ny toe- tany volkanika any an-toerana satria misy ireo singa manetsika ny homamiadana. Fa eo ihany koa anefa ny resaka sakafo hanina izay mety hitarika ny aretina homamiadana. Tsy mbola misy ilay antsoina hoe : mammographie anefa any an-toerana fitaovana hahafahana mitily ny nonon’ny vehivavy iray marary mba hahafahana mandray fepetra mifandraika amin’izany. Voatery miakatra eto Antananarivo avokoa ny ankamaroan’ny marary vokatr’izany izay sady mandoa saram-pitiliana lafo dia lafo no mbola mandoa saran-dalana ihany koa. Nisy araka izany ny fanampian’ny masoivohon’i Japon ireo mponina any an-toerana izay nanolotra mammographie ho an’ny Clinique Sœur Zamuda Mwavua Alice. Narahin’ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa izany entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo vehivavy. Raha araka ny fantatra moa dia vehivavy 10 isam-bolana no mangataka ny hanao fitiliana ny aretina homamiadana ao amin’iry klinika iray ity raha efa mahatratra 36.6% ny salan’ireo voa manerana ny Nosy.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT