Fahasalamana

Faritra Ihorombe Nihena ny tahan’ireo olona voan’ny tazomoka


  • Alatsinainy 07 Martsa 2022

Anisan’ny aretina iray mbola miteraka fahafatesana be indrindra eto amintsika ny aretina tazomoka.

Izany indrindra no mahatonga ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy nametraka paikady maro entina hamongorana ity aretina ity. Anisan’ ireny ny CAID izay iarahana amin'ny USAID sy ny VECTORLINK. Distrika dimy ao anatin'ny faritra Ihorombe sy Atsimo Andrefana ahitana ny distrikan' Ihosy, Sakaraha, Toliara II, Iakora ary Betioky Atsimo no nanatanterahana ny famendrahana ranom-panafody faobe tamin’ny taona 2021 nivalona iny noho ny hamaroan’ireo olona mararin’ny tazomoka tany an-toerana. Nisy ny atrikasa fampahafantarana ny vokatry ny asa famendrahana ny Sabotsy teo. Azo ambara fa tsara ny vokatra. Hita taratra tamin’izany ny fidinan’ny tahan'ireo olona voan'ny tazomoka tao amin' ireo distrika dimy voalaza eo ambony ireo ary ezahina hotohizana hatrany izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ilay atrikasa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT