Fahasalamana

Faritra Atsinanana Drone no hitaterana fanafody any ambanivohitra


  • Zoma 14 Janoary 2022

Tanteraka omaly tao Antanambao Nosy Be, kaominina Antetezambaro, faritra Atsinanana ny fanombohana ny ny tetikasa andrana fitaterana fanafody amin'n'ny alalan'ny drone,

 izay tetik'asa iarahan'ny Impact sy ny PSI Madagascar ary ny minisiteran'ny fahasalam-bahoaka. Ny fitondram-panjakana malagasy sy ny vahoaka amerikana amin'ny alalan'ny USAID no manohana ny tetikasa, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Haingana ary mamaha olana ireo toerana izay manana tobim-pahasalamana miorina amin'ny toerana saro-dàlana izany. 10 min ka hatramin'ny 15 min no nanateran'ity drone ity ny entana avy eo amoron-dranomasina Antanambao Nosy Be mankany amin'ny CSB Vohitrandiana, mandroso sy miverina. In-droa nanatitra tamin'io toerana io izy ary manatitra in-droa ihany koa tao amin'ny CSB Ambodiriana. Hitohy any amin'ireo CSB hafa anatin'ny distrikan’i Toamasina Il izany ary nampanantena izy ireo fa ho tohizana ao anatin'ny faritra Atsinanana manontolo. Mahazaka 10 kg eo ho eo ilay drone ary afaka mandeha hatramin'ny 100km isan'ora. Tanora malagasy no namolavola io tetikasa io. Ary izy ireo ihany no mikirakira azy. Marihina fa ho fitandremana io fitaovana io dia tsy mbola mipetraka aloha izy hatreto fa eo amin'ny haavo 100 m eny ambony izy no mandatsaka ny fanafody amin'ny elon'aina. Eo no ho eo dia mamaly ny lehiben'ny CSB any an-toerana sy ny ekipa any mikasika ny entana tonga any aminy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT