Faran’ny taona 2023

Mbola misy pesta eto Madagasikara


  • Zoma 08 Desambra 2023

Atahorana ny fielezan’ny aretina pesta any amin’ny faritr’Ambositra

satria dia lehilahy iray no voamarin’ny mpitsabo taorian’ny fitiliana ny razana fa matin’ny aretina pesta atoditarimo, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly tao Ivato centra. Nanomboka ny 3 desambra teo no efa nolazoin’ny aretina ity lehilahy 42 taona ity ary nentina notsaboina ny ampitson’iny tao amin’ny CSB1 Ambalalehibe Ambositra ary namoy ny ainy ny alatsinainy 4 desambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo. Nalevina an’irotra ny androtr’io ihany ny razana ary efa nandray ny fepetra takian’izany ny manam-pahefana isan-tsokajiny. Ahiana mafy noho izany ny mety ho fihanak’ity aretin-mandoza ity ka ilaina ny fahamailoana, raha ny fampitam-baovao sy fanampim-panazavana hatrany. Aty amin’ny fiafaran’ny taona 2023 aty, araka izany, no mbola misy aretina nandripaka an’i Eoropa efa tany amin’ny taona 1347 hatramin’ny 1351 tany eto Madagasikara. Aretina vokatry ny loto sy ny firongatry ny voalavo moa izy io, raha atao bango tokana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT