Fahasalamana

Fanomezan-drà Ny 15 % n’ny Malagasy no afaka manao azy


  • Zoma 15 Jona 2018

Tsy dia mavitrika amin’ny fanomezan-dra amin’ny ankapobeny isika eto Madagasikara. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka vaovao Atoa Rakotomalala, mbola vao ny 15 %-n’ny Malagasy no manao izany ka ny vehivavy no betsaka.

Hatramin’izao, mijanona ho 125 paosy isan’andro ny filan-dra eto amintsika ka ireo vehivavy miteraka very ra sy ireo marary mila fandidiana maika  no tena mila izany ankoatra ireo lasibatry ny lozam-pifamoivoizana. Anisan’ny namaly ny antsony ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa Star. Hamatsy ra ny bankin-dra na ny CNTS etsy amin’ny hopitaly HJRA  izy ireo sady manao fanentanana ho an’ny mpiara-belona ihany koa nanomboka omaly. Anisan’izany ny teny Andraharo, ny teny Andranomahery ary ny teny Tanjombato.   Tsiahivina fa ireo olona salama tsara, ampy torimaso, tsy misy aretina mitaiza no afaka manome ra. Mihoatra ny 50 kg ihany koa ny tsy mampinono ho an’ny vehivavy sady tsy tonga fadim-bolana. Tsy misotro toaka, tsy mifoka sigara. Ho an’ireo manana ny marary mila fandidiana maika na vehivavy vao teraka very ra dia mila mitondra olona roa alaina ra raha paosin-dra iray no ilaina. Tsy handoavam-bola izany ho an’ireo miteraka sy mitsabo tena eny anivon’ny hopitalim-panjakana raha ireo karazana kojakoja miaraka amin’izany kosa no handoavam-bola ho an’ireo manatona ny tobim-pitsaboana tsy miankina. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny fanomezan-dra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT