Fanohanana ny sehatry ny fahasalamana

Hanome 175 tapitrisa dolara i Etazonia


  • Zoma 20 Febroary 2026

Notendrena "Coordonateur général

Nosoniavina tamin’ny volana desambra 2025 ny fifanarahana stratejika eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, izay hanome fanohanana mitentina 175 tapitrisa dolara ho an’ny sehatry ny fahasalamana mandritra ny dimy taona, manomboka amin’ny 2026 ka hatramin’ny 2030. Ny governemanta amerikana no hanome 134,3 tapitrisa dolara, ary 41,2 tapitrisa dolara kosa avy amin’ny fanjakana Malagasy. Ny tanjona dia ny hanamafy ny ady amin’ny tazomoka, ny fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny fifehezana ny lefakozatra ary ny fiatrehana ireo olana ara-pahasalamana maneran-tany. Amin'izao fotoana izao, mihaona mandritra ny roa andro ireo solontenan’ny sehatry ny fahasalamana avy amin’ny firenena roa tonta. Tanjona ny handinika ireo tetikasa efa tohanan’i Etazonia, hanombana ny vokatra azo, ary hanome torolalana mazava amin’ny fampiharana ny fifanarahana vaovao. “Ny fifanarahana vaovao dia mametraka rafitra stratejika ho an’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fahasalamana. Ny tombana ataontsika dia hanampy hahazoana antoka fa ny fanampiana dia ampiasaina am-pahamendrehana sy hahazoana vokatra mivaingana.”, hoy Rtoa Stephanie Arnold, solontenan’i Etazonia. Nohamafisiny fa ny fiaraha-miasa dia porofo amin’ny finiavan’i Etazonia hanamafy ny fahasalamana maneran-tany sy hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatrarana fahaleovan-tena. Ny paikady ara-pahasalamana maneran-tany tarihin’ny Filoha Trump dia mikendry ny hanamafy ny fahaizan’ny firenena misitraka fanampiana ho tompon’andraikitra amin’ny rafitra ara-pahasalamany. Tafiditra ao ny fanohanana ny mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony, ny fifehezana ny areti-mifindra ary ny fananganana rafitra matanjaka hanara-maso ny vokatra azo. Ny fifantohana stratejika sy ny fandrindrana amin’ity fifanarahana ity dia mikendry ny hahazoana vokatra mivaingana ho an’ny firenena roa tonta. Ho an’i Madagasikara, tanjona ny hampihena tsikelikely ny fiankinan-doha amin’ny fanampiana avy any ivelany ary amin’ny farany hahatratra fahaleovan-tena tanteraka amin’ny sehatry ny fahasalamana.
Toky R

du conseil consultatif de la refondation" Mpandrindra Jeneralin’ny Filankevitra Mpanolo-tsaina momba ny Fanavaozana eo anivon'ny Fiadidian’ny ny Fanavaozana ny Repoblika Atoa José Vianey na Vijo, araka ny Didim-panjakana 2026-600 tamin'ny 17 febroary 2026 navoakan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Manana laharana mitovy amin’ny Mpanolotsaina manokana eo anivon’ny Presidansa, ka mahazo ny zo sy tombontsoa mifanaraka amin’izany. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ny didy. Elaela tsy tazana teo amin’ny politika Atoa José Vianey, mpanao politika isan’ny akaiky ny Filoha teo aloha izay efa nodimandry dia ny Amiraly Didier Ratsiraka ary efa nisahana andraikitra maro. Izy no filoha mpanorina ny antoko " Rassemblement pour l'Avenir de Madagascar " na "RAM". Isan’ny nalaza tamin’ny raharaha 2009, nalaza ho tsara toerana ho Praiminisitra tany aloha, rehefa niozongozona ny Praiminisitra voalohany tao anatin’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Nirotsaka ho kandida Filoham-pirenena tamin’ny 2018, saingy nihemotra tamin’ny ora farany,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT