Fanohanana fitondràna bontolo

Hifanenjehana hatramin’ny resaka vonjy aina!


  • Alatsinainy 08 Septambra 2025

Tsy lavina hatramin’ny fotoana nisian’ny atao hoe fanoherana sy fanohanana

fitondràm-panjakàna nijoro teto amin’ity firenena ity ny fisian’ny antsoina hoe «fanoherana bontolo» na koa «fanohanana bontolo» izany fitondràna mijoro izany. Ny fahita matetika tao anatin’izany dia tsikaritra ho mifantoka amina olona na fankahalàna miharihary, ilay antsoin’ny frantsay hoe «haine viscérale», ilay fanehoan-kevitra enti-manohana na manohitra izay fitondràna mijoro eo. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa raha efa niaraha-nahita manerana izao tontolo izao mihitsy fa nahafatesana olona miisa 30 mahery ny fankalazàna tsingerintaona teny Ambohimalaza teny tamin’ny fisasahan’iny volana jolay iny, tamin’ny faran’ny herinandro teo mbola nisy matin’izany ihany, dia nandray fanapahan-kevitra izany iny ny teo anivon’ny fanoherana izao fitondràna izao fa handray an-tanana ny fitsaboana any am-pitan-dranomasina ny mbola marary miisa 4 amin’ireo sisa velona taorian’izany fety izany. Izay moa no nambaran’izy ireo fa zakan’ny fahefàna na «moyen» ananany. Ratsy ve izany? Tsy ny miezaka manao toy izany araka izay zakan’ny olompirenena tsirairay avy ve no tokony ho ataon’ny hafa, raha misy ny azon’izy ireo atao amin’izany? Aiza ilay fifanomezan-tanana hahafahana mamonjy ny mpiray tanindrazana? Ahoana moa no tsy hisy amin’ny olompirenena isan-tsehatra, na mpanao politika io na olon-tsotra, ny ahiahy fa tena miparitaka eto amin’ity firenena ity ilay aretina avy amin’ny fahasimban-tsakafo antsoina hoe «botulisme» rehefa niaraha-nahita fa niparitaka nanerana ireo faritra teto amin’ny nosy izay fahararian’ny mpiray tanindrazana vokatry ny olana ara-tsakafo izay? Firifiry ny sehatra efa niantsoantso ny amin’ny tokony hanomezana Evasan na fitsaboana anya m-pitan-dranomasina ireo marary sy efa maty maro saingy nihaino ve ny fitondràm-panjakàna? Nandray andraikitra sy efa nandefa ireo marary nanaovana antsoavo tany ivelany ve? Io izany izao misy sehatra iray nanao fanambaràna fa handray an-tanana ny sasany amin’ireo marary satria izay no nambarany fa azony atao. Any amin’ny hoe tokony mbola hanao be lavitra ve izy ireo no tokony ho olana sy adihevitra sa any amin’ny ahoana no hifanohanana mba hahafahana mitsabo ireo hafa ankoatra ireo 4 any am-pitan-dranomasina koa? Lasa hifanenjehana hatramin’ny resaka vonjy aina izany ankehitriny. Hiarovana fitondràna ve no anton’izany? Heverina kosa angamba fa fanohanana fitondràna bontolo ny toy izany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT