Fahasalamana

Fanjifana sy fahasalamana 200 ny aretina azo avy amin’ny sakafo tsy lavorary


  • Alarobia 08 Jona 2022

Mitana ny laharana faha-28 amin’ny firenena 32 aty Afrika i Madagasikara amin’ny fanjifana sakafo tsy araha-pahasalamana, araka ny tatitra navoakan’ny CNCA (Comité National Codex Alimentaire)

omaly 07 jona tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, nandritry fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fiantohana ara-pahasalaman'ny sakafo. Io fankalazana io izay nomena ny lohahevitra hoe « Sakafo azo antoka mahatsara fahasalamana » ka navoitra fa tsy ampy ny hoe : fahampiana ara-tsakafo fotsiny fa tena ilaina ny kalitao mba hahazoana fahasalamana. Mahatratra 700 000 isan-taona moa ny olona maty maneran-tany noho ny fanampozinana ara-tsakafo. Ho an’ny eto Madagasikara kosa, 378 hatramin'ny 1500 ny fanapozinana ara-tsakafo voamarina tao anatin’ny telo taona. Araka ny tatitry ny manam-pahaizana, maherin'ny 200 ny aretina mety ho azo avy amin'ny sakafo tsy lavorary sy tsy ara-pahasalamana ka misy fiatraikany amin'ny fampandrosoana. Notsipihin’ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono Atoa Harifidy Ramilison moa, fa tokony hodinihina avokoa ny singa simika ao anatin'ny sakafo. Nambarany fa andraikitra lehibe hoan'ny rehetra ny famokarana ara-tsakafo azo antoka. Ny hamokatra sakafo tsara kalitao tsy misy singa simika mety mampiahiahy hiteraka voka-dratsy amin'ny fahasalamana no anisany tanjona amin'ny fikaonandoham-pirenena mahakasika ny fampiroboroboana ny fambolena manomboka ny faha-17 jona hoavy izao, hoy ity minisitra ity. Nosokafana omaly moa ny toerana «Green City Initiative » natokana hivarotana ireo vokatry ny tany biolojika sy famelabelaran-kevitra hiarahana amin’ireo mpiara-miombon'antoka mikasika ny fiantohana ara-tsakafo. Naneho kosa ny Minisiteran'ny varotra sy ny fanjifana sy ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka fa mametraka ho lahara-pahamehana amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny mba tsy hisian'ny singa simika amin’ny sakafo ka mety hiteraka tsy fahasalamana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT