Fahasalamana

Fanjakana Maraokanina Nanolotra fanampiana 34 taonina hiadiana amin’ny pesta


  • Alarobia 25 Oktobra 2017

Noraisin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, niaraka tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny, Henry Rabary Njaka ary ny minisitry ny fahasalamana,

Andriamanarivo Lalatiana, niaraka tamin’ny minisitry ny serasera, Harry Laurent Rahajason, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly, ny fanampiana milanja 34 taonina izay nahitana fanafody fitsaboana sy fisorohana aretina pesta miaraka amin’ny akoram-pitsaboana maro samihafa avy amin’ny fanjakana maraokanina. Ny ambasadaoro maraokanina miasa eto amintsika, Mohamed Ben Jilany, no nisolotena ny fanjakana avy ao Maraoka nanolotra ireto fitaovana ireto. Efa maro, hoy ny praiminisitra ny ezaka natao hamongorana ny aretina pesta saingy mbola betsaka koa ny hotratrarina. Tsy maintsy mila ny fanampiana avy any dilambato isika ary isaorana azy ireo ny fanampiana izay nomeny satria vonjy ranovaky ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT