Fahasalamana

Fanitarana CSB II Ambalavato Nahazo 225 tapitrisa Ar avy amin`ny Japoney


  • Zoma 02 Martsa 2018

Novatsian`ny firenena Japoney 225 tapitrisa Ar ny tobim-pahasalamana fototra Ambalavato-Antsirabe mba ho fanitarana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa ao an-toerana.

 Ny taona 2015 no niorina izy io ary tsy nitsahatra nitombo ireo mpiteraka izay nahatratra 708 ny taona 2016 ary ny 2017  nahatratra 16 949 ny isan`ny narary natao fizahana. “Nahatsiaro tery izahay ary izany indrindra no nanosika anay nitady fanampiana”, hoy Dr Rahanitranirina Colette Janie, medecin chef eo anivon`ity CSB II ity.  Raha teo amin`ny sehatry ny toekarena no nahafantarana an`ny governemanta japoney toy fanamboarana ny seranan-tsambo ao Toamasina, Ambatovy dia hita ihany koa eo amin`ny lafiny sosialy. Porofo iray ilazana fa “manga ny lanitra” eo amin`ny fiaraha-miasan`i Madagasikara sy Japon, hoy Ratsirarson Josea, sekretera jeneralin`ny minisiteran`ny fahasalamana. Ny governemanta japoney rahateo dia mitondra ny traikefany amin`ny fampandrosoana amin`ny fanatanterahana ny ``5S`` ary amin`izao fotoana izao hitarina ny fanaovana azy io ho any anatin`ny toeram-piasan`ny minisitera rehetra fa tsy any amin`ny hopitaly ihany. Santionany amin`ny fiaraha-miasa amin`japoney io fa atsy ho atsy dia hisy sahady fiaraha-miasa vaovao eo amin`ny fametrahana fitaovana ao anatin`ny hopitaly. Tena mpiara-miasa akaiky ao anatin`ny fahasalaman`ny vahoaka Malagasy satria dia miara-miady amin`ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo ny Japoney. Omaly, tetsy amin`ny Masoivoho Japoney Ivandry no nanatanterahana ny fanavaon-tsonia amin`ny fanitarana izany tobim-pahasalamana fototra ao Ambalavato any Antsirabe izay iarahana amin`ny governemanta japoney.

 


 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT