Fahasalamana

Fanentanana ara-pahasalamana Miditra an-tsehatra ny fampiasana SMS


  • Sabotsy 27 Mey 2017

Vita sonia ny alatsinainy 22 mey 2017 teo ny fifanaraham-piaraha-miombon’antoka ho fanomezan-danja ny fahasalamana eto Madagasikara teo amin’ny minisiteran’ny fahasalamana, ny PSI Madagascar ary ny Telma Madagascar.

Tanjon’ny fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta ny fanentanana ny vahoaka hahay hitondra tena ara-pahasalamana amin’ny alalan’ny fampisitrahana azy ireo ny torohevitra tsara ho fantatra sy ny fanapahan-kevitra mila raisina. Fanambin’ny Telma Madagascar ny hanentana Malagasy 3 tapitrisa mahery hatramin’ny faran’ny taona 2017 amin’ny alalan’ny SMS (Soratra Maro Sosona). Asa tena sarotra ny fampitam-baovao ara-pahasalamana, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny profesora Mamy Lalatiana Andriamanarivo.  Toky nomen’ny fitondrana Malagasy tamin’ny fanaovan-tsonia ny fanambaran’i Abuja moa ny fanokanana ny 15%-n’ny tetibolam-panjakana ho an’ny sehatry ny fahasalamana manomboka ny taona 2015. Niiba hatrany anefa io vola natokana ho an’ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy io : 6,1% ho an’ny tetibola 2016, 5,5% ho an’ny 2017 ary hilatsaka 4,6% ho an’ny taona 2018.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT