Fahasalamana

Fandravana ny barazin’ny pesta Nahazo fahafahana vonjy maika ireo 11 lahy tratra


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

“Aleo fohanana ity barazy ara-pahasalamana io raha tsy vonona hifanohana amin’ny fiarovana ny fahasalam-bahoaka ny samy mpiasam-panjakana”,

 izay no nambaran’ireo mpiasan’ny fahasalamana tafaresaka taminay, taorian’ny fahalalan’izy ireo fa nomen’ny fitsarana fahafahana vonjy maika avokoa ireo 11 voasambotry ny mpitandro ny filaminana, tamin’ny fandravana ny barazy vara-pahasalaman’ny pesta tao Antsarimasina ny 28 oktobra teo izay teto Toamasina mihintsy ny minisitry ny fahasalamana sy ny ekipan’ny OMS tamin’io fotoana io. Nandritra ity sakoroka nitranga ity anefa dia potika sy may avokoa ny fananam-bahoaka, voarahona ho faty ireo mpiasan’ny fahasalamana niasa nanao ny asany ara-dalana. Vokatra izay dia miteraka tahotra goavana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana manao ny asany an-tsitra-po noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka ny zava-misy, ka mahatonga azy ireo mandrahona ny tsy hanao ity fizaham-pahasalamana amin’ny barazy ara-pahasalaman’ny pesta amin’ny lalam-pirenena ao Antsarimasina ity intsony, raha tsy voaantoka ara-dalana ny ain’izy ireo amin’ny fiaraha-miasa matotra amin’ny samy mpiasam-panjakana sy ny vahoaka tonga saina fa areti-mandoza ny pesta raha tsy ho voafehy. Nanomboka ny zoma tolakandro nivoahan’ity didim-pitsarana nanafaka azy 11 lahy ity dia tsy nanery ireo mpandeha amin’ny lalam-pirenena faha-02 manao ny fizaham-pahasalamana intsony ireo mpiasan’ny fahasalamana, fa ireo mazoto sy tonga saina ihany no nosahanin’izy ireo. Miandry izay ho fepetra ho raisin’ny minisiteran’ny fahasalamana mikasika izao raharaha eto Toamasina izao ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpitandro ny filaminana ary ny vahoaka.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT