Fahasalamana

Fandraisana Paramed ho mpiasam-panjakana Betsaka ny tsy fahatombonana, hoy ny sendika


  • Talata 17 Mey 2022

Miisa 700 mahery hatreto manerana ny Nosy ny isan’ireo Paramed noraisina ho mpiasam-panjakana taorian’ny fampanantenana nataon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka,

noho ny ezaka nataon’izy ireo tamin’ny fitsaboana ireo mararin’ny Covid 19. Paramed nanao asa an-tsitrapo nandritra ny taona maro ny sasany amin’izy ireo raha vao haingana ny sasany. Tsy araka ny tokony hoy izy araka izany ny nanatanterahana ity fandraisana paramed ho mpiasam-panjakana ity, no sady tsy natrehin’ny solontenan’ny sendika ihany koa izay tena mahalala tsara ny maharary ireo Paramed ahitana ny mpampivelona sy ny infirmiera hoy ny fanazavana azo. Betsaka ny tsy fahatomombanana noho izany hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampivelona sy ny infirmiera eto Madagasikara Ralibera Jerison. Maro ireo fitarainana voaray hoy hatrany izy noho ny fisian’ny kolikoly. Anisan’ny nasiany teny manokana ny filazan’ireo olom-boafidy sasany toy ny Ben’ny tanana sy ny solombavambahoaka fa manana olona tsy maintsy hampidirina ho paramed koa izy ireny, antony mahavitsy ireo Paramed efa nilofo sy niasa fatratra tavela fa tsy voaray ho mpiasam-panjakana. Miandry ireo fitarainana rehetra araka izany ny sendika dia hitondra ny raharaha eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Natrehin’ny Bianco moa raha araka ny fantatra hatrany ny famoahana ny lisitr’ireo Paramed voaray ho mpiasam-panjakana.
Pati
Legende : Ralibera Jerison, filohan’ny sendikan’ny mpampivelona sy ny infirmiera
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT