Fahasalamana

Fandraisana marary Niaiky ny minisitra fa misy zavatra tsy mety eny amin’ny hopitaly


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Niaiky ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny profesora Andriamanantany omaly, fa misy zavatra tsy mety sy tsy

mirindra araka ny tokony ho izy ny fandraisana ireo marary eny anivon’ireo hopitaly eto amintsika, indrindra fa ny hopitalim-panjakana. Raha hitodihana kely tokoa mantsy dia saika handrenesana fitarainana hatrany izany toy ny kitakita hataon’ny dokotera. Eo ihany koa ny fampiandrasana ela be ny marary, ny fanaovana tsinonintsonina izay toy ny hoe mitaky vola an-kolaka amin’ilay marary…Izany indrindra no anton’ilay fiofanana haharitra 3 andro hatrehin’ireo mpiasan’ny fahasalamana nanomboka omaly teto an-drenivohitra. Ireo mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha, Befelatanana ary ny hopitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no nisantatra izany, ezaka mbola hotohizana any amin’ny faritra. Tanjona hotratrarina moa ny hahatsapan’ny marary tsirairay fa olombelona izy ka mendrika horaisina an-tanana araka ny tokony raha sanatria ka tojo tsy fahasalamana. Na izany aza anefa dia nomarihin’ity minisitra ity fa samy manana andraikitra amin’ny fitsaboana ny marary iray ny mpitsabo sy ny mpitondra ilay marary. Tokony hahay hanaja ireo fepetra hapetraka ihany koa araka izany ireto farany hoy hatrany ny fanazavana toy ny fanajana ny ora fidirana sy fivoahana ny hopitaly izay tena misy antony lehibe tokoa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT