Fahasalamana

Fandorana ny fako ara-medikaly Hanome fitaovana harifomba ny ONUDI


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Nihaona tamin’ny solotenan’ny ONUDI Madagascar Ramatoa Vola Rakotondrazafy Andriatahina ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis ny harivan’ny omaly 08 septambra 2020.

 Ho fanatsarana ny kalitao sy ny fahadiovana ary indrindra hamehezana ireny fako miparitaka eny anivon'ny hopitaly sy ny CSB ireny dia hisy ny fiaraha-miasa amin’ny ONUDI. Hitondra anjara birikiny amin'ny fampitaovana sy fanohanana amin'ny "déchets médicaux" eny amin'y tobim-pahasalama izy ireo mba ahafahana mitantana ireny fako ireny araka ny tokony ho izy , ary indrindra ahafahana manaja ny tontolo iainana. Hisy arak'izany ny fitaovana manaraka ny teknolojia vaovao izay hapetraka eny amin'ny hopitaly sy ny CSB, handorana ireny fako ireny. Tsy vitan'ny fampitaovana ihany anefa fa hisy ihany koa ny fampiofanana ireo olona mikirakira ireo fako eny amin'ireny tobim-pahasalamana ireny. Ny tanjona amin'izany dia ny mba tsy himparitahan'ireny fako eny amin'ny tobim-pahasalama ireny indrindra amin'izao fisian'ny valanaretina covid-19 izao, araka ny fanazavana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT