Fahasalamana

Fandidiana olona sima An-jatony no ezahina hahazo tombontsoa ao Toliara


  • Talata 30 Oktobra 2018

Olona an-jatony no ezahina hahazo tombontsoa amin’ilay hetsika “opération smile”, handidiana maimaimpoana ireo olona sima any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy karakarain’ny Airtel Madagascar nanomboka ny 20 oktobra lasa teo.

 

 Am-polony hatreto ireo efa nahazo tombontsoa ka anisan’ireny ireo  ankizy madinika vaky lanilany sy  sima tsy afaka miteny ara-dalàna. Ao amin’ny hopitaly CHU Toliara no hanatanterahana ny hetsika hatramin’ny 2 novambra ho avy izao. Tanjon’ny mpikarakara ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo olona manana fianakaviana na zanaka sima, indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana. Volabe mantsy no ilaina raha handoavam-bola mivantana sady ilana dokotera manampahaizana sy efa voky traikefa ihany koa.

Miezaka hatrany ny Airtel amin’ny alalan’ny Smile 4 Madagascar mampahafantatra ireo mponina any ambanivohitra ny fisian’io hetsika maimaimpoana io. Tafiditra ao anatin’ny asa fanatsaran’izy ireo ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina hiantsorohany izany, indrindra fa ny lafiny fahasalamana.

 

Pati

 

Legende : Ireo ekipa manatanteraka ny fandidiana ao Toliara

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT