Fahasalamana

Fandidiana maimaimpoana Nisitraka izany ireo vaky lanilany


  • Zoma 30 Martsa 2018

Marary manana fahasamponana toy ny sima sy vaky lanilany miisa 150 mahery no misitraka ny fandidiana maimaimpoana ataon'ny Santé Plus Antsirabe sy ny fikambanana Les enfants de Noma avy any Frantsa.

Andiany faha-5 ity, izay nanomboka ny 20 martsa teo ary nitohy tamin'ity herinadro ity.  Ifarimbonan’ny mpitsabo teratany vahiny sy ny an’ny "Santé Plus" Antsirabe ny manao ny fandidiana, fa ireto farany no miandraikitra ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo marary aorian’ny fandidiana. Nambaran'i Dr Rakotoson Benjamina fa mety vokatry ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fisian'ireo akora simika toy ny "Uranium" ary ny fisotroana tambavy mandritra ny fitondrana vohoka no mety miteraka itony fahasamponana itony. Hitohy amin’ny volana mey ho avy io ny hetsika saingy ireo manana olana na fahasembanana amin’ny rantsam-batana no hatao fandidiana amin'izany.

Caius R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT