Fandidiana fo

Tafita soa aman-tsara i Marielle


  • Talata 28 Mey 2024

Tafita soa aman-tsara I Marielle, izay vao 13 taona monja no fantatra fa iray amin’ireo ankizy miisa 4 nisitraka ilay

fandidiana fo misokatra voalohany tanterahina etsy amin’ny hopitaly CENHOSOA Soavinandriana nanomboka ny 21 May lasa teo. Tafita soa aman-tsara ny fandidiana azy ary efa salama izy raha araka ny fantatra. Efa mandeha ihany koa ny fandidiana ireo 3 ambiny namany izay fantatra fa nosivanina nanerana ny Nosy. Raha tsiahivina kely moa dia mahatratra 13.000 Euros ny vola ilaina raha alefa any ivelany hodidiana fo ny zaza iray. Ora maromaro no lany mandritra ny fandidiana. Ankoatra ny olana eo amin’ny nify marary tsy voatsabo dia anisan’ny antony mety hiteraka fahasembanana eo amin’ny fon’ny ankizy iray ihany koa ny tsy fahatomombanana avy any an-kibon-dReniny. Mila mitandrina araka izany ny Reny mitondra vohoka. Tsy mijanona eo anefa ny fanaraha-maso raha tiana hosalama ny zaza iray fa tokony hozahana matetika any amin’ny dokotera ihany koa ny nify indrindra raha misy fahasimbana. Indray mandeha isaky ny enim-bolana farafaharatsiny no tokony hanaovana izany raha araka ny fanadihadiana natao.
Pati
Legende : I Marielle kely ankizy nisantatra ny fandidiana fo misokatra voalohany teto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT